Entrée | 1 Feo mahery |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 feo, mahery |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
6 Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena, 7 Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ... 8 Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena ! 9 Kanefa aza very toky, matokia! 10 Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha, 11 Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy! 12 Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo; 13 Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny … 14 Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ... 15 Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana 16 Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha. 17 Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana! 18 Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana! 19 Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |